Jarisoa RAKOTOARIVELO

"Izaho no fananganana ny maty sy fiainana : izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray" Jaona 11 : 25 "


FILAZANA MANJO SY FANOMPOAM-PIVAVAHANA FAMPAHEREZANA

ALAKAMISY 16 JOLAY


Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesana ny FPMA manontolo fa ny havana malalantsika Jarisoa RAKOTOARIVELO, Filohan'ny Vaomiera nasionaly FPMA fampianarana ny teny Malagasy, Mpampianatra teny malagasy amin'ny RADIO VATSY FPMA nasionaly, Filoha Mpanampy Tafo FPMA PARIS, Mpiandry, dia nantsoin'ny Ray hody any aminy raha teny ampitsidihana ny tanindrazana Madagasikara.


Taitra sy Ontsa ny FPMA manontolo manoloana izao fahoriana izao ary Miara ory feno amin'ny vady amanjanak'Itompokolahy mbamin'ny fianakaviana manontolo. Miaraka amin'izany anefa, dia tiana ny mitondra sahady ihany koa, ny teny fampiononana tsara indrindra ho an'ny fianakaviana, dia ny toky ao amin'ny Tompo Jesoa Kristy, fanantenantsika amin'ny fitsangananan'ny tena.


Rahalahy Iray tampo ao amin'ny Tompo, mpiara-miasa akaiky dia akaiky, mpiandraikitra amin'ny ambaratonga maro FPMA no mandao antsika koa


Ho fampaherezana ny rehetra sy fitondrana ambavaka ny fianakaviana dia hisy


FANOMPOAM-PIVAVAHANA LEHIBE

Alakamisy 16 Jolay 20h

Temple de la redemption

16 rue Chauchat - PARIS 9e


Manasa ny betsaka indrindra tsy hihahotra ho avy hanatrika ny fanompoampivavahana voalaza, haneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviana sy ny Tafo FPMA PARIS ary hitrotro am-bavaka ny rehetra

"Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy" Gal 6:2"


FILAZANA MANJO


Sitraky ny Rainy an-danitra no nampody ny zanany, malalanay :


RAKOTOARIVELO Jarisoa Andriantsalama


Tamin’ny alarobia 15 jolay 2009 rehefa nivahiny 45 taona teto an-tany.

Hoy :


Ny vadiny : RAKOTOARIVELO Lila Saholy


Ny zanany :

RAKOTOARIVELO Johary Andrianiaina

RAKOTOARIVELO Meja Andrianina


Ny ray aman-dreniny :

RAKOTOARIVELO Wilson sy Emilie

RANAIVOZANANY Sahondra


Ny iray tampo aminy :

RAVELOJAONA Mialisoa – Irina – Landy – Yona

ANDRIANARISOA Tovohery sy Nivosoa – Haingotiana – Faniry

RANAIVOZANANY Voahirana – Mandresy –Tsanta

RANAIVOZANANY Dera sy Yoko – Mitsuyuki

ANDRIANARIVONY Mamy sy Lanto ary ny zanany


Ny zanany amin’ny batisa : Miangaly – Niary – Miantsa – Niry – Landy


Ny iray tampo amin’ny ray aman-dreniny:

Terak’Itompokolahy RAJARIVELO sy Itompokovavy RATOMPOZAFY

Terak’Itompokolahy RABEMANANTSOA sy Itompokovavy RAZANAMIALY

Terak’Itompokolahy RANAIVOZANANY Robert sy Itompokovavy RASOANOROVELO Jeannette

Terak’Itompokolahy ANDRIAMANGA Gabriel sy Itompokovavy RAZAFINDRAFARA Christine


Ny fianakaviana manontolo

Ny mpitandrina sy ny biraon’ny fiangonana FPMA Paris

Ny Birao Foibe sy ny mpiara-miasa ao amin’ny FPMA Nasionaly

Ny Sampana Sekoly Alahady, ny Sampana Fifohazana, ny sampan Tily sy ny mpiara-miasa rehetra

Ny paroisse internationale Andohalo

Ny fiangonana FJKM Anosimasina Ziona

Ny fiangonana FJKM Farariana Malala

Ny fikambanana Leve Toi et Marche – fikambanana Kolo – fikambanana Meja

Ny filan-kevi-pitantanan’ny Dispensaire Isotry Fitiavana

Ny mpiara-miasa ao amin’ny ALCATEL Lucent , France

Ny promotion REVI, ESSA, sy ny namana aman-tsakaiza rehetra


Ny nofony dia hiala ao amin’ny tranony LOT II F 34 BB Andraisoro, (Avaratr’Ankatso, ambonin’ny Lycée des Bons Amis) ny asabotsy 18 jolay 2009 amin’ny 12 ora sy sasany antoandro , ho entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Paroisse Internationale Andohalo, alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Ambohitrandriana, Ambatolampikely (Pk 22 RN2)


“Efa nahare feo avy tany an-danitra aho, nanao hoe : Soraty, sambatra ny maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy” Apokalypsy 14-13


TSY FIARETA-TORY