NOMENJANAHARY Rosine


Amin'alahelo lehibe no ampahafantaranay anareo fa ny mpiray tanindrazana amintsika, i tompokovavy NOMENJANAHARY Rosine, 30 taona, dia nantsoin'ny Ray hody any aminy tao anatin’ny fahatanorany, tamin’ny alakamisy 10 décembre 2009 lasa teo, ary namela zaza kamboty 11 taona any Madagasikara.

I Tompokovavy Rosine, dia nanambady tany Allemagne, sady tsy nanana havana akaiky eto France no tsy nanana assurancerapatriement.

Ny ray amandreniny sy ny zanany lahy tokana, any Madagascar anefa dia nampahafantatra anay tompon'andraikitra eto amin'ny tafo Mulhouse ny fanirian'izy ireo, ny mba handefasana ny vata mangatsiaka any an-tanindrazana.

Manoloana izany fiangaviana izany, manoloana ny tsy fisian'ny enti-manana,dia tsy manana vaha-olana maro izahay fa dia mitodika aminareo vahoaka kristiana, sy any amin-tsika malagasy rehetra eto Frantsa.

Ny fangatahanay dia ny mba hamparitahana amin'ny vahoaka malagasy rehetra ity filazana manjo ity sy ny mba hanaovana fanampiana isantokatrano sy rakitra manokana isampiangonana.

Eo am-panantenana ny valin-teny mahafa-po avy aminareo, dia mirary hatrany izahay ny fahasoavan'ny Tompo ho antsika rehetra.

Fanamarihana : Ireo fanampiana sy chèques dia azo alefa any amin'ny mpitantana ny volan'ny tafo Mulhouse 
Andriamatoa Eddy RAJAONARIVELO
37, rue de Strasbourg
68100 MULHOUSE

RIB tafo Mulhouse:
Code banque : 10278                Code guichet : 03057
N° compte : 00034541345         Clé : 89

Adresse caisse : CCM SAINT LOUIS REGIO
72, RUE DE MULHOUSE
68304 ST LOUIS 

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

Manao sonia izany

Nancy RAMALANJAONA                 Jean-Solo RAFIDINARIVO
Birao FPMA tafo Mulhouse                  Filoha Mpanampy Birao Foibe FPMA