Haja Ramanantoanina

Nohon'ny niantsoan'ny Ray hody any Aminy ny Mpanompony,

Haja RAMANANTOANINA,

diakona eto amin'ny FPMA Toulouse, tamin'ny Alatsinainy 18 Janoary 2010 teto Toulouse, dia toy izao ny fandaminana nifanarahana niaraka tamin'ny fianakaviana:

- Ny razana dia ao amin'ny Funérarium (Zénith Purpan) ny Alakamisy 21 sy Zomà 22 Janoary (manomboka @ 3 ka hatramin'ny 7 ora hariva) ka ao ny fianakaviana mandritra io fotoana io ary afaka mamangy izay maniry hanatanteraka izany.

- Ny fanompoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana dia ho tanterahina ny Sabotsy 23 Janoary 2010 ao amin'ny Temple du Salin manomboka amin'ny 14h00.

- Ny fandevenana dia hotanterahina ao amin'ny cimetière protestant ao SAVERDUN.

Tsy mitsahatra ny mitondra am-bavaka ny fianakaviana isika.

Aza misalasala mampiely izao filazàna izao.

Mametraka antsika rehetra ao ambanin'ny fahasoavan'ny Tompo

Solofo RAJAOBELINA