Takelaka Filazana Manjò

Ny tanora vato mandondona ary ny antitra hazo amoron-tevana tsy misy mitoetra maharitra eto amin’ity tany fandalovana ity isika olombelona. Isika Malagasy dia anisan’izany, kanefa amin’ny fotoan-tsarotra sy mavesatra no ilantsika ny fihavanana Malagasy, izay nampianatra antsika ny hoe entan-jarai-mora zaka”.

Tsy natao hilaza loza ity takelaka ity , fa natao hampahalalana ny trangam-piainana , lalovan’ny miankandrefam-baravarana rehetra.

Maro ny fianakaviana sy namana lavitra aty am-pitan-dranomasina no tsy mahalala izay mitranga any an-tanindrazana, ary maro koa ireo Malagasy lavitra ny tanindrazana no tsy dia handrenesam-baovao. Koa dia natao hifampilazana ity takelaka ity ary maimaim-poana ny fametrahana filazana eto.